π‘πππππ’ πππ₯ππ’ πππ‘ππ₯πππ¦ππ‘π π‘π¬ π π£π’π‘ππ‘π ππ’ ππ ππ‘π¬ π‘π¬ πππ¦π§π₯ππππ‘βπ π ππ‘ππ‘ππ₯π ππ©ππ₯ππ§π₯π
Nitokana fotodrafitrasa maro tao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny alahady 04 jona 2023.
Anisany notokanana ny biraon’ny sampandraharahan’ny mponina ao an-toerana izay ahitana birao 3, toeram-pivoriana 1, toerana fitahirizana taratasy 1, toeram-pidiovana 2 ary toerana fandraisana ireo mpitsidika 1.
Notoloran’ny Filoha fauteuil roulant sy lelavola ireo olona manana fahasembanana ary milina fanjairana ho an’ireo fikambanam-behivavy.
Nanotrona azy tamin’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ireo tomponandraiki-panjakana avy ao an-toerana.