๐ก๐ถ๐ต๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐ณ๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐ป-๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ ๐ถ๐ป๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ ๐ฝ๐ผ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ, ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ฎ | ๐ ๐ฎ๐ฒ๐๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ
๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ฒ๐๐๐ถ๐ฏ๐ผ๐ธ๐ฎ | ๐ ๐ฎ๐ฒ๐๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ
๐ก๐ถ๐ต๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐ณ๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ-๐ฏ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐ป-๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ ๐ถ๐ป๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ ๐ฝ๐ผ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ
Faritra malaza aminโny fisianโny volamena, trondro ary vokatra rafia tsara ny Faritra Betsiboka. Betsaka anefa ny olona tsy anโasa noho ny tsy fahampianโny traikefa sy ny fitaovana enti-mamokatra.
Tonga tao an-toerana ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa aminy nitafatafa taminโireo mponina ao Maevatanana. Fitaovana maro no natolotra ho anโireo fikambanam-behivavy, ny Croix Rouge sy ireo tantsaha ary ireo olona tra-pahasembanana : milina fanjairana, fitaovana enti-mamboly, vary, menaka, savony, fitaovana ho anโireo olona tra-pahasembanana ary fitaovana enti-miaro tena manoloana ny Covid19.
Ho fizakan-tenanโireo vehivavy dia ho atao ny fampihofanana arakโasa arahina fampitaovana azy ireo.
Noamafisin-dRamatoa Minisitra nandritry ny lahateniny fa tsy maintsy arahi-maso ihany koa ny fivoaranโireo mpila ravinahitra avy any Atsimo izay mila ravinโahitra ao Maevatanana.
Nandritra ny fitsidihana dia notroninโireo tomponandraikitra sivily sy miaramila tao an-toerana ny Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy.