𝗦𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗱𝗖𝗮𝗽, 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 | 𝗠𝗮𝗱𝗖𝗮𝗽 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 | 𝗠𝗮𝗱𝗖𝗮𝗽 𝗜𝘀𝗼𝘁𝗿𝘆
𝗦𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗱𝗖𝗮𝗽
Notolorana fanampiana toy ny vary, voamaina, céréale, ronono ary savony ireo olona napetraka ao amin’ny Akany fialofana Ex-Madcap Isotry.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Rotary Club Ivandry no nahafahana nanatanteraka izany ho fitsinjovana ny maha olona. Ho tanterahina isaky ny herinandro izany ary mandritra ny iray volana.
Nitarika ny hetsika ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisitera.
Le Rotary Club Ivandry et le Ministère de la Population se sont donnés la main ce jour pour venir en aide aux personnes sans abris logés MADCAP Isotry.
Ils ont remis des sacs de riz, des boîtes de lait, des légumineuses, ainsi que des cartons de savons.
La remise de ces dons s’est déroulée en la présence de l’équipe du Ministère de la Population, dirigée par le Directeur de Cabinet.
A noter que la distribution de vivres pour ces personnes se fera hebdomadairement et ce pendant un mois.