๐ฉ๐ผ๐ฎ๐น๐ผ๐ต๐ฎ๐ป๐ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ยซย ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฒ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎย ยป, F๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฒ๐ป๐ | ๐ ๐ฎ๐ท๐๐ป๐ด๐ฎ
F๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฒ๐ป๐ | ๐ ๐ฎ๐ท๐๐ป๐ด๐ฎ
๐ฉ๐ผ๐ฎ๐น๐ผ๐ต๐ฎ๐ป๐ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ยซ ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฒ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ ยป
Tsimponina ny fako sase plastika, diovina tsara ka rarina ho lasa arona, ondana sy fitaovana maro isankarazany izay azo ampiasaina aminโny andavanandro ao an-tokatrano.
Ny fikambanana ยซ Baobab ยป ao Mahajanga izay manome lanja anโireo fako sase plastika ireo ho lasa fihariana no nibata ny fandresena taminโireo fikambanana maro nifaninana manerana ny Nosy.
Fitaovana maro no natolotrโi Ramatoa Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica ho azy ireo ary noamafisiny fa mila mikaroka sy mamokatra ireo vehivavy.
Velom-pisaorana ireo vehivavy ao aminโny fikambanana Baobab satria fitaovana tena ilainy aminโny fanafainganana sy ny fanatsarana ny vokatra no azony. Mangataka ireo mpikambana mba ahazo tombony eo aminโny sehatry ny fanondranana any ivelany ka mila tsorina kokoa ireo antontan-taratasy ilaina aminโizany izay mbola sarotra dia sarotra aminโizao fotoana izao.
Ireo manam-pahefana vehivavy kosa dia nanamafy fa efa mahazo setra ny vehivavy ao Mahajanga na eo aminโny seha-pihariana na eo aminโny fitantana andraikitra ambony. Azontsika hoy izy ireo ny zo-ntsika ka mila tohizana ny fampisongadinana ireo vehivavy eo anivonโny fiaraha-monina.