๐ญ๐ข๐ ๐ ๐๐๐๐๐ก๐๐ ๐ฃ๐๐๐ก๐ ๐ ๐๐ก๐๐ ๐๐๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐๐๐๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ฆ๐๐ก๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐๐ฅ๐๐ข ๐ข๐๐ข๐ก๐ ๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ฌ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐๐๐ง๐ฅ๐ ๐๐ก๐ฌ ๐๐๐ข๐ง๐ข๐ก๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐ ๐๐ก๐๐ฆ๐๐ง๐ฅ๐ ๐ฆ๐ข๐๐๐๐๐๐ฅ๐ ๐ฃ๐ฅ๐๐ก๐๐๐
๐ญ๐ข๐ ๐ ๐๐๐๐๐ก๐๐ ๐ฃ๐๐๐ก๐
๐ ๐๐ก๐๐ ๐๐๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐๐๐๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐ฆ๐๐ก๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐๐ฅ๐๐ข ๐ข๐๐ข๐ก๐ ๐ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ฌ ๐๐ก๐๐ฅ๐๐๐๐๐ง๐ฅ๐ ๐๐ก๐ฌ ๐๐๐ข๐ง๐ข๐ก๐ฌ ๐ก๐ฌ ๐ ๐๐ก๐๐ฆ๐๐ง๐ฅ๐ ๐ฆ๐ข๐๐๐๐๐๐ฅ๐ ๐ฃ๐ฅ๐๐ก๐๐๐
Ho famporisihana sy fanohana amin’ny asa sy andraikitra sahanina eo anivon’ny fokotany dia tonga nijery ireo Tomponandraikitra ifiotony ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Tao amin’ny EPP Manarintsoa sy Anosipatrana Andrefana no nanatanterahana ny hetsika. Bodifotsy sy fonosana ahitana nofonkena mitam-pihavanana, vary, voamaina, siramamy sy menaka ary savony no natolotra azy ireo.
Zokiolona sy ireo olona to-teny miisa 400, mandray andraikitra eny ifotony ao amin’ny boriboritany voalohany sy faha-efatra no nisitraka izany.
Nosokafana tamin’ity fotoana ity ny hetsika Zoma Fifanampiana ho an’ity taona ity ka nanamarika izany ny fanomezan’ireo zokiolona tso-drano an-dRamatoa Minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy noho ny adidy mankadiry izay sahanin’izy ireo eto amin’ny firenena.
Ny Zoma Fifanampiana, tetikasan’ny Minisiteran’ny Mponina, dia anisany hetsika enti-manatanteraka ny veliranon’ny Filoha Andry RAJOELINA ho fiahiana ny sosialin’ny mponina.
Nifanolo-tanana tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao ny ONG DirectAid.