𝘼𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙄𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙨𝙚𝙢𝙗𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖
« Ny olona tra-pahasembanana, mpisehatra sy mpahazo tombotsoa amin’ny fampandrosoana maharitra » no lohahevitra nanamarihana izany fotoana-dehibe izany teo amin’ny « PARVIS »-n’ny Lapan’ny Tanàna an’Antananarivo Renivohitra.
Niarahan-dRamatoa MICHELLE Bavy Angelica Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampiroboroboina ny Vehivavy sy ireo Fikambanan’ireo olona manana Fahasembanana ary ireo Solombavambahoaka tonga nanome voninahitra ny fotoana.
Nisy ireo fanentanana natao sy fampirantiana ary fanehoana talenta nataon’ireo Sembana ka nandritra izany fotoana izany no nanoloran-dRamatoa Minisitra fanomezana ho azy ireo Fikambanana mitaiza sy Manabe ireo olona manana Fahasembanana araka ny Velirano Fahaefatry ny Filoha Andry Rajoelina « Fanabeazana mendrika » ka tokony hisitraka izany ireo ankizy sy tanora manana fahasembanana.