03.02.2022 FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY FIZARANA SAKAFO MAFANA ARA-PAHASALAMANA
03.02.2022
FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY
FIZARANA SAKAFO MAFANA ARA-PAHASALAMANA
Nakarina amin’ny toerana avo ary napetraka ao amin’ny toerana voatokana ireo mponina monina eny amin’ny toerana iva ao amin’ny Distrikan’i Manakara. Natao izany ho fiarovana azy ireo sy ny fananany manoloana ny fiavian’ny rivo-doza Batsirai. Ny alin’ny alakamisy 03 febroary dia nitsidika azy ireo ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian sy ireo delegasiona niaraka taminy ary ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila ao an-toerana.
Notoloran’ny fitondram-panjakana sakafo mafana sy ara-pahasalamana ihany koa izy ireo ary hahazo fitaovana hiatrehany ny fandalovan’ny rivo-doza.
Ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia sy ny BNGRC no mandrindra ny fizarana izany sakafo izany.