03.02.2022 FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY
03.02.2022
FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY
Nidina ifotony nanomana ny paikady rehetra hiatrehana amin’ny fahatongavan’ny rivo-doza ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian sy ireo delegasiona miaraka aminy, izay nahitana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Nanome toromarika izy amin’ny handraisan’ny rehetra ny fepetra mialoha mahakasika ny fiavian’ny rivodoza BATSIRAI ary ny hifampizarana vaovao haingana sy ara-potoana.
Nandritra izany no nijerena sahady ireo toerana afaka hametrahana ireo mponina traboina ao Mananjary sy Manakara, ary efa vonona ny sakafo sy ny fitaovana natao handraisana azy ireo.
« Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ny loza ».