06.03.2022 Faritra FITOVINANY | Distrika Manakara
06.03.2022
Faritra FITOVINANY | Distrika Manakara
Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy dia maro ireo hetsika ho tanterahina.
Ho an’ny Distrikan’i Manakara manokana dia tonga tao an-toerana ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA niaraka tamin’ny Ministry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo Vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Nitsidika ny toerana famokarana zanakazo tao Marofarihy ary nanokatra ny « centre d’accès internet » ho an’ ireo mpianatra tao amin’ny Lycée Sileny Paul izy ireo. Nijery ihany koa ireo trano eva nisy ireo tolotra ara-pahasalamana maro isan-karazany ary nofaranana tamin’ny fambolen-kazo tao amin’ny Fokontany Antsary niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy avy ao amin’ny Faritra Fitovinany.