07.03.2022 ANTSIRABE |FIJOROANA VAVOLOMBELONA – NATAON’IREO VEHIVAVY
07.03.2022
ANTSIRABE |FIJOROANA VAVOLOMBELONA – NATAON’IREO VEHIVAVY
Ho tohin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy dia nisy fifampizarana sy fijoroana vavolombelona ny lalana nolalovan’ireo vehivavy. Nisy ihany koa ny fizarana ny hevitra sy torohay ary ny vina mahakasika ny zo sy ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy sy ny tovovavy.
Amin’izao fankalazana izao no hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy ho amin’ny fampandrosoana lovainjafy.
Nanotrona sy nanome voninahitra izany ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA, ny Minisitry mponina SOAFILIRA Princia ary ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Araky ny lahatenin’ny Minisitry ny Mponina dia hanao izay azo atao hanomezan-danja ny zon’ireo vehivavy ny fanjakana malagasy.
Nomarihiny ihany koa fa mahatoky ary mahavita zavatra goavana ny vehivavy rehefa mikiry, mahavita manova ny tantara mba hametrahana ny fitovian-jo.
« Viavy maivotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy ».