07.03.2022 FAMBOLEN-KAZO TAO ANDRAIKIBA ANTSIRABE
07.03.2022
FAMBOLEN-KAZO TAO ANDRAIKIBA ANTSIRABE
Nomarihana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny andro anio, izay efa ao anatin’ny fankalazana nationaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy amin’ity taona 2022 ity.
Nitarika izany ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA niaraka tamin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta. Tonga teny an-toerana avokoa ireo fikambanam-behivavy avy amin’ireo faritra 23 manerana ny Nosy.