08.03.2022 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY | FARITRA VAKINANKARATRA | ANTSIRABE
08.03.2022
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY | FARITRA VAKINANKARATRA | ANTSIRABE
« Viavy miavotse, miatrika sy mifanampy, taratry ny fitovian-jo sy antoky ny fampandrosoana lovain-jafy »
Taorian’ny fandraisam-pitenena mifandimby dia nanamarika ity andro ity ny filatroana lehibe tao amin’ny kianja manara-penitra izay niarahan’ireo fikambanam-behivavy avy amin’ireo Faritra 23.
Nanome voninahitra izany ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny vadiny Mialy RAJOELINA, ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny vadin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ireo mpiara-miobon’antoka sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.
Nandritry ny lahatenin’ny Minisitry ny Mponina no nilazany fa mila miray feo ny vehivavy malagasy rehetra ary mila miaraka miavotra ho fanarenana ny firenena, mba hametraka lova tsara ho an’ny taranaka sy ho antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Hanampy ireo fikambanam-behivavy manerana ny Nosy amin’ny fampitaovana sy fampiofananana ary amin’ny fanohanana ara-bola ireo tetik’asa sahanin’ireo vehivahy ny fanjakana Malagasy.