11.02.2022 Faritra VATOVAVY | Nosy Varika
11.02.2022
Faritra VATOVAVY | Nosy Varika
Nisitraka ny Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ihany koa ireo traboina tao Nosy Varika nandritry ny dian’ireo delegasiona iraka solontenan’ny Governemanta tany an-toerana.
Araky ny toromariky ny Filoham-pirenena dia nijery ny fahasimbana sy ny fanarenana tokony hatao ary nitondra fampaherezana ho an’ireo traboina vokatry ny rivodoza Batsirai izy ireo. Nisy ihany koa ny fanampiana ara-bola izay natolotry ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ho fanampiana azy ireo.
Nanotrona ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Mponina tamin’izany ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana sy ny Governoran’ny Faritra Vatovavy.