12.02.2022 Faritra FITOVINANY | Distrika Ikongo
12.02.2022
Faritra FITOVINANY | Distrika Ikongo
Kaominina misy ireo mpiray tanindrazana traboina maro tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai ny kaomina Ifanireha.
Nampahery ireo traboina ireo ny Minisitra SOAFILIRA Princia sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Noho ny tsy fisian’ny lalana mankao amin’ity kaominina ity dia voatery nalatsaka avy eny ambony fiaramanidina ny vatsy sy tohana ho an’ireo traboina. Ho an’ny faritra afa-dalana kosa dia naterina mivantana izany tohana izany.
Na dia eo aza ny tsy fahafahana nijery ny kaomina Ifanireha dia tsy ho diso anjara izy ireo fa hisitraka ny vatsy tsinjo sy ny tosika fameno avy amin’ny Filoha Andry RAJOELINA avokoa.