15.03.2021 TETIK’ASA DIMITRA FARITRA SAVA
TETIK’ASA DIMITRA FARITRA SAVA
Fiaraha-mientana ao amin’ny Faritra Sava amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, izay tafiditra tanteraka amin’ny velirano faha valo, faha enina ary ny faha sivin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.
Miavaka ity tetik’asa ity satria teny ifotony no nitondrana ny fanatanterahana azy, izay niarahan’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana, ny Minisiteran’ny Jono ary ny FAO.
Ny vehivavy no nandray anjara lehibe amin’izany mba entina hanovana ny toe-tsaina eo amin’ny sehatry ny asa satria maro ny zavatra azo atao any an-toerana ary tsy voatery hitady asa any ivelany izy ireo.
Isan’ny tanjona tamin’ity tetikasa ity ihany koa ny fampitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy.
Nitarika ity atrik’asa famaranana ity ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia.