16.02.2022 FANOLORANA VATSY TSINJO HO AN’IREO TRABOINA ANY AMIN’NY FARITRA
16.02.2022 FANOLORANA VATSY TSINJO HO AN’IREO TRABOINA ANY AMIN’NY FARITRA
Miray fo hatrany amin’ireo mponina traboina ny Filoha Andry RAJOELINA ka faritra miisa 06 (Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana) izay nisedra fahavoazana mafy nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai no nandefasana Vatsy Tsinjo.
Nanatrika ny fiaingan’ireo fiara lehibe miisa 15 nitondra ireo vatsy tsinjo teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahan-tena Mahamasina ny Praiminisitra NTSAY Christian. Nanotrona azy tamin’izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo tompon’andraikitra maro sivily sy miaramila.