16 ANDRO IKATROHANA AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY HERISETRA
Tontonsa ny atrikasa fampahafantarana ny drafitr’asa nasionaly entina hanatanterahana ny “Résolution onusienne 1325”.
Natao izany ho fampandraisana anjara ny vehivavy amin’ny fanamafisana sy fampiarana ny fandriampahalemana ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Niara-nisalahy nanatanteraka izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy, tohanan’ny PNUD.
Nitarika ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina RABETALIANA Rova izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.