16 ANDRO IKATROHANA AMIN’NY ADY HATAO AMIN’NY HERISETRA
25.11.2022
Tontosa ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny 16 andro ikatrohana amin’ny ady hatao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy.
Nisongadina nandritra ny lahateny nifandimbiasana ny fampanajana ny zon’ny ankizivavy amin’ny fampianarana azy ary ny zon’ny vehivavy amin’ny fahafahany miavotra. Notontosaina izany lanonam-panokafana izany nandritra ny fanofakana ny programa 100 andro ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy eto Madagasikara miaraka amin’ny Mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny Association Fitia.
Ny lanonana dia teo ambany fitarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA, notronin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.