17.02.2022 FARITRA ANALANJIROFO | SAINTE MARIE
17.02.2022
FARITRA ANALANJIROFO | SAINTE MARIE
Tonga tao Sainte Marie nijery ny fahavoazana navelan’ny rivo-doza Dumaco ny fitondram-panjakana izay notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian niaraka tamin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria ary ny BNGRC.
Nivimbina tohana ara-tsakafo avy amin’ny Filoha Andry RAJOELINA izy ireo mba hitsinjovana ireo traboina ary nampanantena fa hanome masomboly ho an’ireo tantsaha mba hitsinjovana ny volin’izy ireo izay potika noho ny rivo-doza.
Maro ny asa fanarenana izay hatao ka ho fanohanana sy ho fitsinjovana ireo mponina dia hisy ny Asa Atakalo Vola izay ho arindran’ny Minisiteran’ny Mponina ka ny FID hanatanteraka izany any an-toerana.