18.02.2022 Faritra ATSINANANA| TOAMASINA
18.02.2022
Faritra ATSINANANA| TOAMASINA
Tonga tao amin’ny Fokontany Ambodisaina, distrika Toamasina II nijery ireo traboina noho ny tondradrano ireo delegasiona notarahin’ny Praiministra NTSAY Christian, ny Minisitry ny Mponina, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Minisitry ny Asa Tanana sy ny Hai-tao sy ny BNGRC notronin’ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila ao an-toerana.
Miisa 650 ireo notolorana ny Vatsy Tsinjo tao amin’ny distrika Toamasina I sy II ary nanafatra « moto pompe » ny Praiministra hitroana ny rano ao amin’ny Fokontany Verrerie izay tena mbola dibo-drano tanteraka.