24.03.2022 HETSIKA SOSIALY – FANENTANANA MAHAKASIKA NY FANDRINDRAM-PITERAHANA
24.03.2022
HETSIKA SOSIALY – FANENTANANA MAHAKASIKA NY FANDRINDRAM-PITERAHANA
Hetsika fanentanana mahakasika ny fandrindram-piterahana no notanterahin’ny Minisitera tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina izay notarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia, notronin’ireo Solombavam-bahoaka sy ireo manam-pahefana ao amin’ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra.
Fikambanam-behivavy miisa 50 nahitana ireo vehivavy mpilalao baolina lavalava, mpanasa lamba ary ireo vehivavy marefo ara-pivelomana monina eny amin’ny faritra iva ao amin’ny boriboritany 6 miisa 2.200 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo, fitaovana ho an’olona manana fahasembanana sy fitaovana fanasana lamba.
Nandritra izany no nanentanana ireo vehivavy ny amin’ny handrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fitantanana tokantrano.
Araky ny lahatenin’ny Minisitra dia hatao laharam-pahamehana ny fanofanana ireo vehivavy. Noentaniny ny hamerana ny fiterahana mba tsy ho fitaovana hiterahana fotsiny fa hanana fiainana mivoatra sy afaka hitady ary hamelona ny tokantrano, hanana fahaleovan-tena ara-bola. Manasa ireo vehivavy rehetra izy noho izany hiditra anatin’ny fikambanana Viavy Miavotse ka hiara-hientana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Nofaranany tamin’ny fisaorana ny Filoham-pirenena tamin’ny fanohanana ny fananganana ny fikambanana Viavy Miavotse ny lahateniny.