25.03.2022 FAMBOLEN-KAZO 2022
25.03.2022
FAMBOLEN-KAZO 2022
Notanterahina tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampanotokana ny fambolen-kazo niarahan’ny Minisitra SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina.
Zanakazo miisa 4.500 fototra no novolena izay anjara biriky hoentin’ny Ministera ho fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena ny amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara.
Ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny fokontany Ampanotokana no nanampy tamin’ny fanatanterahana izany ary izy ireo ihany no hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fitombon’ireo zanakazo voavoly ireo eo ambany fanaraha-mason’ny « cellule environnementale » eo anivon’ny Ministera.
Maro hoy Ramatoa Ministra ny ezaka vita nandritr’izay fotoana nitantanany ny Minisitera izay ary ezahina hatrany ny hijerena sy hamaliana ny hetahetan’ireo mponina mahakasika ny fiahiana ara-tsosialin’izy ireo.
Nandritry ny lahanteniny no nanentanany fa tokony atao vaindohan-draharaha ny fambolena hazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana mba afahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Nanolotra omby 2 ho nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo mponina sy ireo fikambanam-behivavy tao amin’ity fokontany Ampanotokana ity ny Ministra SOAFILIRA Princia ho fisaorana azy ireo.