26.02.2022 Faritra ALAOTRA MANGORO
26.02.2022
Faritra ALAOTRA MANGORO
Mitohy hatrany ny fitsidihana ny Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana ataon’ireo delegasiona izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA miaraka amin’ny Minisitry ny mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ireo mpiara-miombon’antoka vahiny.
Tao amin’ny distrikan’Anosibe an’ala sy Tanambao Manampotsy izay tena saro-dalana izy ireo no nijery ireo fotodrafitr’asa simba sy ireo efa an-dalam-panamboarana. Nitondra fanampiana ho an’ireo vahoaka any an-toerana ka nahazo maillot sy baolina kitra ireo tanora mpanao fanatanjahan-tena ary nomena Vatsy Tsinjo ireo tokatrano maro.
Ho fanarenana ireo zavatra simba noho ny rivo-doza nifanesy indrindra ireo trano fonenana dia nivatsy fitaovana enti-manarina izany izy ireo.