26.02.2022 Faritra ATSINANANA | Distrika ANTANAMBAO MANAMPOTSY
26.02.2022
Faritra ATSINANANA | Distrika ANTANAMBAO MANAMPOTSY
Nitohy tao amin’ny distrikan’Antanambao Manampotsy, faritra Atsinanana ny dian’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny delegasiona miaraka aminy.
Isan’ireo tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ireo rivo-doza nifanesy sady mitoka-monina noho ny haratsin’ny lalana ny distrikan’i Antanambao Manampotsy.
Ho fanarenana sy famaliana ny filan’ireo mponina anefa dia maro ireo foto-drafitr’asa izay efa andalam-pahavitana toy ny biraon’ny Minisiteran’ny mponina sy ny polisim-pirenena, ny hopitaly sy ny CEG manara-penitra, ny CSB ary ny « émetteur » izay hapetraka any an-toerana.
Tanjona ny hampiova sy hanamaivana ary hampivoatra ny fiainan’ny mponina ao an-toerana araky ny nampanantenain’ny Filoham-pirenena. Nohamafisiny tamin’ny fandalovany ihany koa ny hanafainganana ny lalana mampitohy an’Ilaka Est amin’ny Antanambao Manampotsy izay efa misy ampahany amin’ny asa no mandeha amin’izao fotoana izao.
Tsy diso anjara ireo mponina amin’ny fisitrahana ny vatsy tsinjo ka tokantrano miisa 1000 no nisitraka izany.