01.12.2022
Noraisin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tao amin’ny biraony Ambohijatovo ny solontenan’ny fikambanana AJESAIA sy ny Miss Analamanga androany.
Nanolotra akanjo hoentina manao fanatanjahantena ho an’ny Minisitra ireo fikambanana AJESAIA amin’ny maha Reny mpiahy azy.
Ny Minisitry ny Mponina kosa dia nampanantena hatrany ny finiavany hiara-iasa amin’ireo fikambanana isan-karazany.
