15.12.2022
Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Masoivohon’ny Royaume-Uni, David Ashley izay miasa sy monina eto Madagasikara.
Nifantoka tamin’ny fanamafisam-piaraha-miasa ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ny Mponina ny dinika natao. Tao ihany koa ny fandinihana manokana ny fiarovana ny zon’ireo ankizy sy ny fianakaviana, ka anisan’izany ny fenitra sy fepetra hahafahan’ireo “famille d’accueil” miasa eto Madagasikara.
