22.12.2022
Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny noely izao dia nanolotra fanampiana tao amin’ny ivotoerana Madcap Isotry izay sahanin’ny Minisiteran’ny Mponina ny orinasa Feline.
Ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana monina ao amin’io ivotoerana io no nisitraka ny tohana ara-tsakafo sy vatomamy ho fampifalina an’ireo ankizy.
