22.12.2022
Nahatsiaro ireo ankizy beazina eny amin’ny ivotoerana mitaiza zaza kamboty ny Minisiteran’ny Mponina ka nanolotra fanampiana ho azy ireo amin’izao ankatoky ny noely izao.
Tohana ara-tsakafo sy fitaovam-pidiovana no natolotra ka ny Tale misahana ny fananganan-jaza Ramatoa NARIJAONA Elda no nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
