Fitsidihana ara-pomba fanajana avy amin’ny Solontena Maharitry ny Firenena Mikambana miasa eto Madagasikara tao amin’ny Minisiteran’ny Mponina
Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Minisiteran’ny Mponina ny Solontena Maharitry ny Firenena Mikambana miasa eto Madagasikara.
Noraisin’i Ramatoa Minisitra Michelle Bavy Angelica izy ka teo no nanamafisana fa vonona hatrany ny Firenena Mikambana ny hanohana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaika efa misy eto toy ny :
• FNUAP : ady amin’ny herisetra
• UNICEF : fiarovan’ny zon’ny ankizy
• OMS : fahasalamana
• PNUD : fampitaovana isan-karazany
• BIT : asa
• PAM : fiahiana ara-tsakafo sy ny fampivoaharana ny olombelona