ADI-HEVITRA MAHAKASIKA NY FANDRAISANA ANDRAIKITRY NY VEHIVAVY MANOLOHANA NY FAHASIMBAN’NY TONTOLO IAINANA, NATAO TAO AMIN’NY HOTEL DE LA POSTE, ANTSIRANANA
Natao tao amin’ny hôtel de la Poste, Antsiranana, ny adi-hevitra mahakasika ny fandraisana andraikitry ny vehivavy manolohana ny fahasimban’ny tontolo iainana. Voaresaka tao ny fomba afahan’ireo vehivavy miatrika ny fahasimbana eo amin’ny maha-olombelona manoloana ny fiovan’ny toetrandro. Fotoana izao ny hanomezan-danja ny zon’ny vehivavy amin’ny alalan’ny fahazoana rano fisotro madio, ny fanjarian-tsakafo, ny fahasalamana…