ADY AMIN’NY HERISETRA MIANJADY AMIN’IREO ANKIZY
Tao Johannesburg, renivohitr’i Afrika Atsimo ny 8 hatramin’ny 10 desambra lasa teo no nanatanterahana ny atrik’asa mahakasika ny tetik’asan’ny Firenena Afrikanina entina miady amin’ny fanaranana sy fanararaotana ara-nofo ireo ankizy amin’ny alalan’ny aterineto.
Zava-dehibe noresahana sy nodinihina ireo fandaharan’asa naroson’ ny Vaomiera Firaisambe Afrikanina, ny paik’ady mifanandrify amin’izany ary ny fametrahana sori-dalana enti-miady amin’ny fanaranana sy fanararaotana ara-nofo ireo akizy amin’ny alalan’ny aterineto aty Afrika. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa teo amin’ireo mpandray anjara.
Nanatrika sy nisolo tena ny firenena Malagasy tamin’izany Ramatoa Talen’ny Ankizy sy ny Fianakaviana eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.