ADY AMIN’NY HERISETRA MIANJADY AMIN’NY ZAZA TSY AMPY TAONA SY NY VEHIVAVY
« Mila hafainganina ny raharaham-pitsarana amin’ny ady amin’ny herisetra. » MICHELLE Bavy Angelica; Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.
Nitohy tao an-dRenivohitry ny faritra Analanjirofo ny fanentanana ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy ka nahazo tombony ireo mpianatra izay tsy nanavahana na ny sekoly miankina na ny tsy miankina amin’ny Fanjakana ary maneho fahavononana hiaraka hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana sy ny ministera ny tompon’andraikitra isan-tokony ao an-toerana.