ADY AMIN’NY KERE ATY ATSIMON’NY NOSY
ADY AMIN’NY KERE ATY ATSIMON’NY NOSY
Tokantrano maro no nisitraka ny fanampiana vonjimaika toy ny vary sy voamaina avy amin’ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy Ramatoa Angelica Michelle no nanolorana ny anjaran’ny Kaominina Ambanivohitra Anjampaly Distrikan’i Tsihombe.
Teo ihany koa ny fijerevana ny fotodrafitrasa ho vahaolana maharitra hiadivana amin’ny Kere teto amin’ny Kaominina dia ny « REEPS » izay tetikasa hiarahan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Catholic Relief Services (CRS) izay fitahirizan-drano fisotro madio milevina ambanin’ny tany izay hampiasana ny « géo-membrane mahatahiry rano manodidina ny 450 metatra toratelo ka azo ampiasaina avy hatrany manomboka ny voalohan’ny volana Novambra.
Nanjohy ny fahasahiranan’ireo Mpanjono ihany koa Ramatoa Minisitry ny Mponina mahakasika ireo olana amin’ireo fitaovana fanjonoina toy ny harato sy lakana sns…
Tsy natao ambanin-javatra ihany koa ny nijery manokana ireo kilonga ka nitondra tsiky sy nizara vatomamy sy masadroa ary niaram-paly tamin’izy ireo ny tenany.