ADY ATAO AMIN’NY KERE ATY ATSIMON’NY NOSY
ADY ATAO AMIN’NY KERE ATY ATSIMON’NY NOSY
Kaominina Ambanivohitra Ifotaka Distrikan’Amboasary Atsimo notsidihin-dRamatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy Ramatoa Angelica Michelle ary ny Fampivoarana ny Vehivavy niaraka tamin’ireo mambran’ny Gouvernemanta.
Ankoatra ny fanatanterahana ny fametrahana ny Ivotoerana manokana natao hitsaboina sy famerenana ny fanjarian-tsakafo amin’ireo olona tratran’ny Kere izay paikady mahomby izay napetraky ny Filoha Andry Rajoelina hamongorana ny Kere dia nambaran-dRamatoa Minisitra fa hisitraka ny tetikasa Fiavota koa ny Fokontany rehetra ao amin’ny Kaominina Ifotaka. Nisy ihany koa ny fanampiana nomeny ny Mponina teo an-toerana.
Notsongainy manokana ireo Fikambanam-Behivavy mba tokony hivondrona hanamora ny fametrahana ny paikadim-pampivoarana ny Vehivavy