AKON’NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZOKIOLONA TETO AMIN’NY FARITRA VAKINANKARATRA.
Anisany manan-danja lehibe eto amin’ny tany sy firenena ny zokiolona ka noho izany indrindra no nanokanan’ny firenena mikambana ny 01 Octobra ho andro iraisam-pirenena ho azy ireo.
Nankalazaina ny alahady lasa teo izany ho fanomezam-boninahitra azy ireo, ka nandritra ny fankalazana no nanatanterahana ny fotoam-bavaka izay niarahana tamin’ireo fikambanan’ny zokiolona. Taorian’izany dia nitohy tamin’ny fiaraha-misakafo tao amin’ny trano natokana ho azy ireo ary nofaranana tamin’ny fandraisam-pitenenana samy hafa.
Nanambara ny talem-paritry ny Mponina eto Vakinankaratra fa: mila homena tolo-tanana ny raiamandreny na dia lazaina fa efa osa aza izy ireny, ary mila hajaina foana amin’ny maha Zokiolona azy araka ny soatoavina Malagasy ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena.
Arak’izany, mbola hisy hatrany ny hetsika ho fanamarihana ny andron’izy ireo mandritra ity volana Octobra ity, toy ny fizaham-pahasalaman’ny maso maimaim-poana izay fiaraha-miasa amin’ny « Ezco Antsirabe » sy ny avy eto amin’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy eto Vakinankaratra.