ANDRO FAHAROA AMIN’NY FIFANATREHAN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA SY IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA
Tamin’ity andro faharoa ity dia naneho fisaorana an’ireo Solombavambahoaka ny Minisitra SOAFILIRA Princia noho ireo soso-kevitra natolotr’izy ireo manoloana ny asa sosialy ataon’ny Minisitera.
Efa maro ireo foto-drafitr’asa napetraky ny Minisitera manerana ny Nosy, toy ny tranon’ampela, ny trano ho an’ireo zokiolona sy ireo olona manana fahasembanana, ny biraon’ny fitalevam-paritra. Mitohy hatrany ny fametrahana izany ho an’ireo distrika tsy mbola nisitraka izany.
Mahakasika ireo mpifindra monina dia ho jerena miaraka amin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana izany ary efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika izany ny Minisitera.
Manoloana ny trangana herisetra dia entanina hatrany ny mponina mba ho sahy hitoroka raha mahita izany eny anivon’ny fiaraha-monina.
Nanamafy ihany koa ny Minisitra SOAFILIRA Princia fa tsara ny fifandraisany amin’ireo mpandraharaha sy fikambamanana maro eto an-toerana sy any ivelany ka izay no ahafahany manatanteraka asa sosialy maro manerana ny Nosy ka anisan’izany ny Zoma Fifanampiana.