ANDRO FAHAROA HO FANAMARIHANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY MPONINA
Notontosaina anio ny lanonam-pamaranana ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Mponina.
Nomarihina tamin’ny alalan’ny fikaonan-doha lehibe izany ka nakana ny hevitry ny tsirairay sy ireo fanontaniana arahina soson-kevitra mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny ady amin’ny herisetra, ny fiarovana ny zon’ny ankizy sy ireo olona manana fahasembanana ary ny zokiolona.
Nomena lanja manokana ny vehivavy amin’ny alalan’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny sehatra samy hafa ho antoky ny fampandrosoana maharitra.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miombonantoka ary ireo olona tonga maro be nanotrona ity fotoana androany ity.