ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZOKIOLONA | Distrika Mandritsara
01.10.2022
« Fanohanana ny zokiolona mankany amin’ny fampiatiana sy ny fahafahana miatrika ny fampandrosoana »
Nankalazaina manokana tao Mandritsara ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona tamin’ity taona ity.
Maro ireo fitaovana sy tohana natolotry ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia nandritra izany :
mari-boninahitra ho an’ireo zokiolona no nanombohana ny lanonana ;
loka ihany koa ireo zokiolona nandresy tamin’ny fifaninanana natao mahakasika ny fomba amam-panao tao an-toerana ;
2000 ireo zokiolona nisitraka ny tohan’aina, lamba fitafy, lamba firakotra ary satroka ;
masomboly sy fitaovana enti-mamboly ho an’ireo Lehilahy Mandray Andraikitra ;
Kidoro 200 isa ihany koa no nomena ireo sojabe tao an-toerana ;
nomem-boninahitra ihany koa ireo fikambanam-behivavy izay nahazo tohana ara-bola miaraka amin’ireo tanora sy ny olona manana fahasembanana.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo Solombavambahoaka voafidy ao amin’ny Faritra SOFIA izay notronon’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.