ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY TANORA FARITRA FITOVINANY- ATSIMO ATSINANANA -VATOVAVY
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HOAN’NY TANORA
FARITRA FITOVINANY- ATSIMO ATSINANANA -VATOVAVY
Notanterahina tao amin’ny Renivohitry ny Faritra FITOVINANY-(MANAKARA) ny fankalazana ny andro Iraisam-pirenena hoan’ny tanora ato amin’ny Faritra Telo mirahavavy (Atsimo Atsinanana, Fitovinany – Vatovavy) tamin’ny alalan’ny TSENABE izay nahafahana nampiraty ireo vokatra, asa-tanan’ireo VOVONAN’NY TANORA ato amin’ny Faritra Telo mirahavavy..
Izany no tanteraka dia nohon’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana Ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, ny Faritra Telo mirahavavy ary ny TETIK’ASA ADRA FIOVANA
Mankasitraka hatrany amin’ny fiaraha-mientana ho fampandrosoana ny Faritra.