ANDRO VOALOHANY AMIN’NY FIFANATREHAN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA SY IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA
Niatrika ireo Solombavambahoaka ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta androany 28 jona 2022 tao amin’ny CCI Ivato. Nanao ny tatitra mahakasika ny asa vita ny Praiminisitra NTSAY Christian ka anisany voatanisany ireo asa sosialy notanterahin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola.
Maro ireo Solombavambahoaka nankasitraka ny asa vitan’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ary betsaka ihany koa ireo manantena fitsidihana ifotony toy ny distrikan’ny Maroantsetra sy Mananjary.
Anisany voaresaka manokana ny fisitrahan’ireo tokatrano tena marefo ny tetikasa Haraton’aina ho an’ireo Faritra tsy mbola nahazo izany. Manantena ihany koa ireo Solombavambahoaka ny hivoahan’ny lalàna mahakasika ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy.