ANKOHONANA MIARINA
𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮
Fianakaviana maro tra-pasahiranana vokatry ny covid-19 no nandray vatsy ara-bola avy amin’ny Governemanta malagasy amin’ny alalan’ny 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 tao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana i Ramatoa Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica, notronin’ny Solombavambahoaka sy ny Ben’ny Tanàna ary ireo manam-pahefana tao an-toerana.
Ny 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 dia tetik’asan’ny fitondram-panjakana, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ka ireo ankohonana voalahatra ho marefo indrindra no misitraka izany.
Tanjona ny hahafahan’ny tokantrano miarina manoloana ny ady atao amin’ny covid-19.