ANKOHONANA MIATRIKA, 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 | 𝗙𝗲́𝗻𝗲́𝗿𝗶𝗲-𝗘𝘀𝘁
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼 | 𝗙𝗲́𝗻𝗲́𝗿𝗶𝗲-𝗘𝘀𝘁
𝗩𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝘃𝗮 𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮
Vehivavy nahavita fiofanana mahakasika ny zaitra ao Fenoarivo Atsinanana no hamokatra arovava orana mandritry ny 20 andro ka 2000 isanandro.
Toy ny ao Antananarivo sy ny ho atao ao Toamasina dia ny ONG Direct’Aid no manolo-tanana an’ireto vehivavy ireto amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina.
Araky ny lahatenin’ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica izay tonga tao an-toerana dia faniriany ny hanaovana an’ity asa fanjairana arovava orona ity ho maharitra sy ho atao manerana ny Nosy.
Tonga nanotrona ny lanona ny Governoran’ny Faritra sy ireo Solombavambahoaka ary ireo Benin’ny tanàna ao amin’ny Faritra Analanjirofo.