ANKOHONANA MIATRIKA, FARITRA MENABE, MORONDAVA
𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗘𝗡𝗔𝗕𝗘 | 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮
𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮
Fianakaviana tra-pahasahiranana vokatry ny covid-19 tao amin’ny Distrikan’i Morondava, Faritra Menabe no mandray ny vatsy ara-bola sy tantsoroka avy amin’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny tetik’asa 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮.
Tetik’asan’ny fitondram-panjakana, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny FID eny ifotony ka 5 volana no faharetany.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina izay nisolo-tena an-dRamatoa Minisitra Michelle Bavy Angelica, notronin’ireo manam-pahefana maro eo an-toerana sivily sy miaramila.
Face à la crise causée par la Covid19, des ménages à faible revenu du District de Morondava, Région Menabe, bénéficient de soutiens financiers de la part du Gouvernement malagasy via le projet 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮.
Ce projet est mis en œuvre par le Ministère de la Population, exécuté par le FID durant 5 mois et financé par la Banque Mondiale.
Le lancement officiel s’est effectué en présence du Directeur du Cabinet du Ministère de la Population et des autorités locales.