ANKOHONANA MIATRIKA, FARITRA VAKINANKARATRA, Antsirabe
Fianakaviana tra-pahasahiranana vokatry ny covid-19 tao amin’ny Distrikan’Antsirabe, Faritra Vakinankaratra no mandray ny vatsy ara-bola sy tantsoroka avy amin’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny tetik’asa 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮.
Tetik’asan’ny fitondram-panjakana, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny FID eny ifotony ka 5 volana no faharetany.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina izay nisolo-tena an-dRamatoa Minisitra Michelle Bavy Angelica, notronin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila maro ao an-toerana.
Face à la crise causée par la crise du Covid19, des ménages à faible revenu du District d’Antsirabe, Région Vakinankaratra, bénéficient de soutiens financiers de la part du Gouvernement malagasy via le projet 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮.
Ce projet est mis en œuvre par le Ministère de la Population, exécuté par le FID durant 5 mois et financé par la Banque Mondiale.
Le lancement officiel s’est effectué en présence du Directeur du Cabinet du Ministère de la Population et des autorités locales.