ANKOHONANA MIATRIKA, MIARINARIVO
Fianakaviana tra-pahasahiranana vokatry ny covid-19 tao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy no nanomboka nandray ny vatsy ara-bola sy tantsoroka avy amin’ny Governemanta malagasy amin’ny alalan’ny tetik’asa » 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 « .
Tetik’asan’ny fitondram-panjakana, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny FID eny ifotony ka 5 volana no faharetany.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitra Michelle Bavy Angelica, notronin’ny Solombavambahoaka tao an-toerana Andriamatoa Rakotondrasoa Fetra miaraka amin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.
Face à la crise causée par la crise du Covid19, des ménages à faible revenu, du District de Miarinarivo, bénéficient de soutiens financiers de la part du Gouvernement malagasy via le projet « 𝗔𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 ».
Ce projet est mis en œuvre par le Ministère de la Population, exécuté par le FID durant 5 mois et financé par la Banque Mondiale.
Le lancement officiel s’est effectué en présence du Directeur du Cabinet du Ministère de la Population, du Député de Miarinarivo et des autorités locales.