Antananarivo 01.02.2022 FIJERENA IREO TRABOINA IZAY AFAKA MAMONJY NY TOERAM-PONENANY
Antananarivo 01.02.2022
FIJERENA IREO TRABOINA IZAY AFAKA MAMONJY NY TOERAM-PONENANY
Ao anatin’ny famerenana tsikelikely ireo traboina izay efa afaka mamonjy ny fonenany ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Tonga nijery ireo traboina napetraka ao amin’ny ANS Ampefiloha ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana Sosialy RIVOMANANA Ghisbert androany 1 febroary 2022. Nandritra izany no nihaonany tamin’ny Lehiben’ny Distrika ao an-toerana ka niresahana mahakasika ny fampodiana ireo traboina izay efa afaka mamonjy ny toeram-ponenany.
Ny fizarana sakafo mafana ara-pahasalamana izay ataon’ny Minisitera kosa dia mitohy hatrany. Nomena kidoro sy akanjon-jaza manokana ireo tera-bao ao an-toerana.