Antananarivo 30.01.2022 FANAMPIANA HO AN’IREO TRABOINA
Antananarivo 30.01.2022
FANAMPIANA HO AN’IREO TRABOINA
Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina napetraka tao amin’ny Fokontany Miandrarivo sy EPP Ambohimiandra, ao anatin’ny Boriboritany faharoa ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nanatanteraka ny fizarana izany teny ifotony no sady nankahery ireo traboina ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana Lanto RAKOTOMANGA.
Hafaliana no nandraisan’ireo traboina izany ary nanolotra fisaorana ho an’ny fitondram-panjakana izy ireo.