Antananarivo 31.01.2022 FIZARANA VATSY TSINJO
Antananarivo 31.01.2022
FIZARANA VATSY TSINJO
Araka ny efa nampanantenain’Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA dia hahazo vatsy tsinjo avokoa ireo izay efa afaka mamonjy ny toeram-ponenany. Nohamafisiny ihany koa fa hisitraka tosika fameno izy ireo hahafahany miarina tanteraka ka afaka mihary indray.
Araka izany dia notanterahina tao amin’ny kianjan’Alarobia sy Andohatapenaka ny fizarana ny Vatsy Tsinjo ho an’ ireo traboina tao amin’ny boriborintany I sy III .
Nanotrona azy tamin’izany ny vadiny, Ramatoa Mialy RAJOELINA, ireo Minisitra mpikambana ao anatin’ny Governemanta fa indrindra ny Minisitry ny Mponina Ramatoa SOAFILIRA Princia izay miahy manokana ny fiahiana ara-tsosialy.Tao ihany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriboritany voalohany sy fahatelo, ny Governoran’ny Faritra Analamanga sy ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.
Ny vatsy tsinjo dia ahitana vary, sardine, menaka, koba aina, ronono, sira, savony ary CVO.