Antananarivo 31.01.2022 NITSIDIKA IREO TRABOINA NY VADIN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
Antananarivo 31.01.2022
NITSIDIKA IREO TRABOINA NY VADIN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA
257 ireo fianakaviana traboina ao amin’ny Distrika Antananarivo faha-6 sy ao amin’ny Distrikan’Ambohidratrimo napetraka tao amin’ny kianja Ambohitrimanjaka.
Nidina nijery sy nankahery azy ireo teny an-toerana ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika Mialy RAJOELINA no sady Filohan’ny Fikambanana Fitia. Nandray azy teny an-toerana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo Minisitra vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Nandritra izany no nizarana koba aina sy fanafody ireo ankizy mba hitondra hery sy tanjaka ho azy ireo ary hanamafy ny hery fiarovana ao aminy. Nanamarika ny hetsika ny fanentanana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo.
Nahazo tohana ara-tsakafo, kidoro sy lamba firakotra ary jiro mande amin’ny herin’ny masoandro kosa ny isaky ny fianakaviana traboina.
Taorian’izay dia nitohy tamin’ny fizarana sakafo mafana sy ara-pahasalamana ho an’ireo traboina ao Ankorondrano ny hetsika.