Antananarivo Atsimondrano – 25/01/2022 Tonga nijery ny toerana handraisana ireo traboina eny amin’ny CEG sy EPP Tanjombato
Antananarivo Atsimondrano – 25/01/2022
Tonga nijery ny toerana handraisana ireo traboina eny amin’ny CEG sy EPP Tanjombato, faritra Atsimondrano niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ary ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila nitondra fanampiana sy tolo-tanana ho an’ireo traboina. Sakafo mafana sy ara-pahasalamana, kidoro, bodofotsy ary lamba firakotra ho an’ireo reny mitaiza kely sy vehivavy bevohoka no natolotra.
Maimaim-poana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo traboina ireo. Misy ny toerana nomen’ireo malala-tanana afaka handraisana ireo traboina izay tsy mitsahatra mitombo noho ny fiakaran’ny rano.
Rehefa hody any amin’ny trano fonenany ireo olona ireo dia mbola ho zaraina vola sy vatsy hanampiana azy ireo hiarenany.